Lamentations 2:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niantso ny fampihorohoroana hanodidina ahy toy ny amin’ny fotoam-piravoravoana ianao ka tsy nisy sisa afa-nandositra tamin’ny andro fahatezeran’NY TOMPO; izay notezaiko am-pitiavana sy nobeaziko aza dia lanin’ny fahavaloko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nantsoinao, hoatra ny amin’ny andro fety, ny fampangorohoroana ahy hatraiza hatraiza; tamin’ny andron’ny fahatezeran’i Iaveh, tsy nisy afa-nidify na nandositra: naringan’ny fahavaloko izay notiaviko sy nobeaziko!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy ny amin’ny andro fety, TOMPO ô, dia nantsoinao ireo mpampihorohoro manodidina ahy; ka tamin’ny androm-pahatezeranao dia tsy nisy sisa velona na afa-nitsoaka, fa ireo ankizy notezaiko sy nokoloiko dia naripaky ny fahavaloko avokoa.
Malagasy Bible 1865
Nantsoinao ny fampangorohoroana manodidina ahy, toy ny amin'ny fotoam-pivavahana, ka dia tsy nisy sisa afa-nandositra tamin'ny andro fahatezeran'i Jehovah; Izay notrotroiko sy notezaiko aza dia lanin'ny fahavaloko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niantso ny fampihorohoroana hanodidina ahy toy ny amin’ny fotoam-piravoravoana ianao ka tsy nisy sisa afa-nandositra tamin’ny andro fahatezeran’NY TOMPO; izay notezaiko am-pitiavana sy nobeaziko aza dia lanin’ny fahavaloko.
malagasy