Lamentations 2:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nokapainy tamin’ny fahatezerany mirehitra ny tandroky ny Israely rehetra; nahemony teo anoloan’ny fahavalo ny tanany ankavanana, ary nandoro an’i Jakoba toy ny lelafo miredareda izay nandevona manodidina Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho ny fahatezerany mirehitra notapahiny avokoa ny herin’i Israely; ny tanany ankavanana, nahemony teo anoloan’ny fahavalony; toy ny afo midedadeda no narehiny teo amin’i Jakôba, mandevona ny manodidina rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamim-pahatezerana mirehitra no nanapotehany izay rehetra nampirehareha an’i Israely. Nihemotra tsy niditra an-tsehatra Izy teo anatrehan’ny fahavalo. Nandrehitra afom-pahatezerana Izy hamelezana ireo taranak’i Jakôba, ka toa afo miredareda nandevona manodidina.
Malagasy Bible 1865
Nokapainy tamin'ny fahatezerany mirehitra ny tandroky ny Isiraely rehetra; Nahemony teo anoloan'ny fahavalo ny tànany ankavanana; Ary nandoro an'i Jakoba Izy toy ny lelafo miredareda izay nandevona manodidina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nokapainy tamin’ny fahatezerany mirehitra ny tandroky* ny Israely rehetra; nahemony teo anoloan’ny fahavalo ny tanany ankavanana, ary nandoro an’i Jakoba toy ny lelafo miredareda izay nandevona manodidina Izy.
malagasy
Nokapainy tamin'ny fahatezerany mirehitra ny tandroky ny Isiraely rehetra; Nahemony teo anoloan'ny fahavalo ny tànany ankavanana; Ary nandoro an'i Jakoba Izy toy ny lelafo miredareda izay nandevona manodidina.