Lamentations 2:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanenjana ny tsipìkany toy ny fahavalo Izy, nijoro nanatsotra ny tanany ankavanana toy ny mpanohitra Izy ka nandripaka izay rehetra mahafinaritra ny maso; ny fahatezerany dia naidiny toy ny afo tamin’ny tranolain’i Ziona zanakavavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanenjan-tsipìka toy ny ataon’ny fahavalo Izy aty naninjitra ny tanany ankavanana, toy ny mpanani-bohitra; ka naripany avokoa izay nahafinaritra ny maso; tamin’ny lain’ny zanaka vavin’i Siôna naidiny toy ny afo ny fahatezerany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanenjan-tsipîka toy ny fahavalo Izy ary naninji-tanana ankavanana hitifitra. Niseho toy ny rafilahy Izy ka nandripaka ny zavatra rehetra mahafinaritra ny masonay. Ny fahatezerany dia nararany toy ny afo teo ambonin’ny tempoli n’i Tsiôna.
Malagasy Bible 1865
Nanenjana ny tsipìkany toy ny fahavalo Izy, nijoro naninjitra ny tànany ankavanana toy ny rafilahy Izy ka nandripaka izay rehetra mahafinaritra ny maso; Ny fahatezerany dia naidiny toy ny afo tamin'ny lain'i Ziona zanakavavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanenjana ny tsipìkany toy ny fahavalo Izy, nijoro nanatsotra ny tanany ankavanana toy ny mpanohitra Izy ka nandripaka izay rehetra mahafinaritra ny maso; ny fahatezerany dia naidiny toy ny afo tamin’ny tranolain’i Ziona zanakavavy.
malagasy