Lamentations 2:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tonga toy ny fahavalo ny Tompo ka nitelina ny Israely. Eny, nateliny ny lapany rehetra sady noravany ny manda fiarovany; nampitomboiny tao amin’i Joda zanakavavy tokoa ny sento sy ny taraina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao toy ny fahavalo ny Tompo: I Israely noravany; ny lapany noravany avokoa; ny mandany narodany; ny fijalian’ny zanaka vavin’i Siôna notongoaviny fijaliana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga toy ny fahavalonay ny Tompo, ka nandripaka an’i Israely; nandripaka ireo lapany rehetra Izy ary nandrodana ireo mandany ka nampitombo sento sy taraina manerana ny vahoakan’i Joda.
Malagasy Bible 1865
Ny Tompo dia tonga toy ny fahavalo ka nandevona ny Isiraely. Eny, nolevoniny ny lapany rehetra, sady noravany ny fiarovany; Ary nampitomboiny ny fisentoana sy ny fitarainan'i Joda zanakavavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tonga toy ny fahavalo ny Tompo ka nitelina ny Israely. Eny, nateliny ny lapany rehetra sady noravany ny manda fiarovany; nampitomboiny tao amin’i Joda zanakavavy tokoa ny sento sy ny taraina.
malagasy
Ny Tompo dia tonga toy ny fahavalo ka nandevona ny Isiraely. Eny, nolevoniny ny lapany rehetra, sady noravany ny fiarovany; Ary nampitomboiny ny fisentoana sy ny fitarainan'i Joda zanakavavy.[Heb. nitelina][Heb. nateliny]