Lamentations 2:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noravany an-keriny toy ny tanimboly ny fefiny sady noravany ny toeram-piravoravoany; nataon’NY TOMPO hadino tao Ziona ny fotoam-piravoravoana sy ny Sabata ka nolaviny tamin’ny fahatezerany mirehitra ny mpanjaka sy ny mpisorona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nidirany an-kery ny fefiny, toy ny tanimboly; noravany ny fitoerany masina. Nataon’i Iaveh nitsahatra tao Siôna ny fety aman-tsabatra; tamin’ny firehetan’ny hatezerany dia nariany amim-panesoana ny mpanjaka ama-mpisorona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noravany ny zaridaina sy ny tranobongony, nosimbany ny toeram-pihaonany. Nataon’ny TOMPO hadino tao Tsiôna ny andro fety sy ny sabata. Tamin-katezerana mirehitra no nanesorany ny mpanjaka mbamin’ny mpisorona.
Malagasy Bible 1865
Ary noravany an-keriny toy ny tanimboly ilay nofefena ho Azy, sady noravany ny trano fihaonany; Nataon'i Jehovah hadino tao Ziona ny fotoam-pivavahana sy ny Sabata, ka nolaviny tamin'ny fahatezerany mirehitra ny mpanjaka sy ny mpisorona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noravany an-keriny toy ny tanimboly ny fefiny sady noravany ny toeram-piravoravoany; nataon’NY TOMPO hadino tao Ziona ny fotoam-piravoravoana sy ny Sabata ka nolaviny tamin’ny fahatezerany mirehitra ny mpanjaka sy ny mpisorona.
malagasy