Lamentations 2:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Narian’ny Tompo ny alitarany, nolaviny ny fitoerany masina; natolony ho eo an-tanan’ny fahavalo ny mandan’ny lapa ao Ziona; nisy nanandra-peo tao amin’ny tranon’NY TOMPO toy ny amin’ny fotoam-piravoravoana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanjary sosotra tamin’ny ôteliny ny Tompo sy madikidiky amin’ny fitoerany masina. Natolony ho eo an-tanan’ny fahavalo ny mandan’ny lapany; dia nisy nihorakoraka toy ny amin’ny andro fety tao an-tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nolavin’ny Tompo ny alitarany, nilaozany ny Toeramasiny, ary natolony ho eo an-tanam-pahavalo ny mandan’ireo lapan’i Tsiôna. Nisy akora lava tao an-tranon’ny TOMPO tahaka ny amin’ny andro fety!
Malagasy Bible 1865
Ny alitarany narian'ny Tompo, ny fitoerany masina nolaviny; Natolony ho eo an-tànan'ny fahavalo ny mandan'ny lapa ao Ziona; Nanandratra ny feony tao an-tranon'i Jehovah toy ny amin'ny fotoam-pivavahana ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Narian’ny Tompo ny alitarany, nolaviny ny fitoerany masina; natolony ho eo an-tanan’ny fahavalo ny mandan’ny lapa ao Ziona; nisy nanandra-peo tao amin’ny tranon’NY TOMPO toy ny amin’ny fotoam-piravoravoana.
malagasy