Lamentations 2:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
NY TOMPO no ninia nandrava ny mandan’i Ziona zanakavavy; nanenjana ny kofehy fandrefesana Izy ka tsy namonkina ny tanany tsy handrava; dia mampitomany ny fiarovany ivelany sy ny manda Izy ka miara reraka ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nosainin’i Iaveh ny handrava ny mandan’ny zanaka vavin’i Siôna, dia nohenjaniny ny famolaina, tsy nahemony tsy handrava, ny tanany; nataony misaona ny manda sy ny manda ivelany, niara-nitsingidina amin’alahelo ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanapa-kevitra ny TOMPO fa handrava ny mandan’i Tsiôna. Nampitoviany tantana ny rindrina voazera, ka tsy nisalasala nandrodana Izy. Nitrosina ny manda roa sosona izay samy miara-mihasimba.
Malagasy Bible 1865
Jehovah ninia handrava ny mandan'i Ziona zanakavavy; Nanenjana ny famolaina Izy ka tsy namonkina ny tanany tsy handrava; dia mampitomany ny fiarovany ivelany sy ny manda Izy, ka miara-dreraka ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
NY TOMPO no ninia nandrava ny mandan’i Ziona zanakavavy; nanenjana ny kofehy fandrefesana Izy ka tsy namonkina ny tanany tsy handrava; dia mampitomany ny fiarovany ivelany sy ny manda Izy ka miara reraka ireo.
malagasy
Jehovah ninia handrava ny mandan'i Ziona zanakavavy; Nanenjana ny famolaina Izy ka tsy namonkina ny tanany tsy handrava; dia mampitomany ny fiarovany ivelany sy ny manda Izy, ka miara-dreraka ireo.[Heb. hitelina]