Lamentations 2:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny vavahadiny dia tototry ny tany sady nosimbany no nopotipotehiny ny hidiny; ny mpanjakany sy ny andriana eo aminy dia efa any amin’ny firenena hafa; tsy misy lalàna intsony, eny fa na ny mpaminaniny aza dia tsy mahita fahitana avy amin’NY TOMPO intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny vavahadiny tafalentika amin’ny tany, novakìny, notapahiny ny hidiny, ny mpanjakany ama-mpanapaka efa any amin’ny firenena, tsy misy intsony ny lalàna, ny mpaminany aza tsy mandray fahitana avy amin’i Iaveh intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tototry ny tany ireo vavahadin’i Tsiôna; nopotehina sy nomontsanina ny hidiny. Ny mpanjaka sy ireo mpitondra dia eo an-tanan’ny hafa firenena. Tsy misy fampianaran’ny mpisorona intsony; ary na ny mpaminany aza tsy mandray hafatra avy amin’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ny vavahadiny dia tototry ny tany, nosimbany sy notapatapahiny ny hidiny; Ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy efa mby any amin'ny firenena; Tsy misy lalàna intsony, fa na ny mpaminaniny aza dia tsy mahita fahitana avy amin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny vavahadiny dia tototry ny tany sady nosimbany no nopotipotehiny ny hidiny; ny mpanjakany sy ny andriana eo aminy dia efa any amin’ny firenena hafa; tsy misy lalàna intsony, eny fa na ny mpaminaniny aza dia tsy mahita fahitana avy amin’NY TOMPO intsony.
malagasy