Lamentations 3:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa nahoana no mitaraina ny olona velona, fa aoka ny olona samy hisento noho ny amin’ny fahotany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka ahoana no itarainan’ny olombelona raha mbola velona izy? Aoka ny fahotany avy no sampy hitarainany!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa inona àry no imenomenonan’ny olona izay mbola velona sy tomady, na dia eo aza ny fahotany?
Malagasy Bible 1865
Koa ahoana no imonomononan'ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin'ny fahotany avy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa nahoana no mitaraina ny olona velona, fa aoka ny olona samy hisento noho ny amin’ny fahotany.
malagasy
Koa ahoana no imonomononan'ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin'ny fahotany avy? [Na: Eny, nahoana no imonomononan'ny olona, raha mijaly noho ny fahotany?]