Lamentations 4:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indrisy! Tonga matromatroka ny volamena; niova ny volamena tsara! Ny vato nohamasinina dia naely eny an-joron-dalambe rehetra eny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ahoana no nihamatroka ny volamena, nihasimba ny volamena madio, niely patrana ny vato voahasina, eny an-joron-dalambe rehetra eny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indrisy! Nihavasoka ny volamena; efa nihamatroka ilay metaly tsara; ireo vatosoa voatokana ho an’ny Tompo dia niparitaka teny an-dalambe rehetra teny.
Malagasy Bible 1865
Indrisy! efa matromatroka ny volamena; Efa niova ny tena volamena tsara! Ny vato nohamasinina dia efa nahahany eny an-joron-dalambe rehetra eny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indrisy! Tonga matromatroka ny volamena; niova ny volamena tsara! Ny vato nohamasinina dia naely eny an-joron-dalambe rehetra eny.
malagasy
[Fietren-tena noho ny fitsarana ataon'Andriamanitra, ary fanantenam-pamonjena] Indrisy! efa matromatroka ny volamena; Efa niova ny tena volamena tsara! Ny vato nohamasinina dia efa nahahany eny an-joron-dalambe rehetra eny.