Lamentations 4:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tanterahin’NY TOMPO ny fahavinirany ka naidiny ny fahatezerany mirehitra; nampirehitra afo tao Ziona Izy handevonana ny fanorenany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanampatra hatramin’ny fara fahatezerany i Iaveh, nandefa ny fahatezerany mirehitra; dia nandrehitra afo tao Siôna izy, ka levon’izany ny fanorenany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanampatra havinirana ny TOMPO ka nampitosaka ny fahatezerany mirehitra. Namelona hain-trano tao Tsiôna Izy handevonana ny fanorenany.
Malagasy Bible 1865
Tanterahin'i Jehovah ny fahavinirany, naidiny ny fahatezerany mirehitra, ary Izy nampirehitra afo tao Ziona, handevonana ny fanorenany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tanterahin’NY TOMPO ny fahavinirany ka naidiny ny fahatezerany mirehitra; nampirehitra afo tao Ziona Izy handevonana ny fanorenany.
malagasy
Tanterahin'i Jehovah ny fahavinirany, naidiny ny fahatezerany mirehitra, ary Izy nampirehitra afo tao Ziona, handevonana ny fanorenany.