Lamentations 4:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny olona dia niantsoantso azy hoe: Mialà ianareo fa maloto! Mialà! Mialà! Aza mikasika anay! Raha nandositra sy niraparapa izy dia hoy ny olona tany amin’ny hafa firenena: Tsy mahazo mivahiny atỳ intsony ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mitanilà! Maloto e!» hoy ny antsoantson’ny olona, «Mitanilà ianareo! Mitanilà ianareo! Aza mikasika azy.» Nirenireny atsỳ sy arỳ, ka hoy ny olona any amin’ny firenena: Aoka tsy hitoetra atỳ ireny!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tonga izy, dia misy miantsoantso hoe: Mihataha ianareo fa maloto izy, mihataha fa aza manatona azy. Raha mandositra izy nefa tsy mahita izay haleha dia hoy ny firenen-kafa hoe: «Tsy mahazo mijanona ela atỳ amintsika ireo!»
Malagasy Bible 1865
Ny olona niantsoantso azy hoe: Mialà ianareo, fa maloto, mialà, mialà, aza mikasika anay. Raha nandositra sy niraparapa izy, dia hoy ny olona tany amin'ny jentilisa: Tsy mahazo mivahiny atỳ intsony ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny olona dia niantsoantso azy hoe: Mialà ianareo fa maloto! Mialà! Mialà! Aza mikasika anay! Raha nandositra sy niraparapa izy dia hoy ny olona tany amin’ny hafa firenena: Tsy mahazo mivahiny atỳ intsony ireny.
malagasy