Lamentations 4:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tavan’NY TOMPO no nampihahakahaka azy, ary tsy mijery azy intsony Izy; ny mpisorona dia tsy hajain’ireny ary ny antitra dia tsy amindrany fo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny Tavan’i Iaveh vinitra nampihataka azy; tsy nijery ireny intsony izy. Ny mpisorona, tsy nasian’ny fahavalo hajany; ny anti-panahy, tsy nananany antra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny TOMPO mihitsy no nampiely azy fa tsy te hahita azy intsony. Koa tsy nohajaina ny mpisorona ary tsy niantrana ny zokiolona.
Malagasy Bible 1865
Ny fahatezeran 'i Jehovah no nampihahakahaka azy, ary tsy mijery azy intsony Izy; Ny mpisorona tsy hajain'ireny, ary ny antitra tsy amindrany fo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tavan’NY TOMPO no nampihahakahaka azy, ary tsy mijery azy intsony Izy; ny mpisorona dia tsy hajain’ireny ary ny antitra dia tsy amindrany fo.
malagasy
Ny fahatezeran'i Jehovah no nampihahakahaka azy, ary tsy mijery azy intsony Izy; Ny mpisorona tsy hajain'ireny, ary ny antitra tsy amindrany fo.[Heb. tavany]