Lamentations 4:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin’ny lanitra ka milomay manenjika anay any an-tendrombohitra ary manao vela-pandrika ho anay any an-tany efitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay nanenjika antsika dia faingam-pandeha, noho ny voromahery eny an-danitra. Notanahiny teny an-tendrombohitra isika; nanaovany otrika tany an’efitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpanenjika anay kosa haingam-pandeha noho ny voromahery eny an-danitra. Manenjika anay hatrany an-tendrombohitra izy, ary manotrika hamely anay any an-taniefitra.
Malagasy Bible 1865
Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin'ny lanitra, ka miolomay manenjika anay any an-tendrombohitra ary manotrika anay any an-efitra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin’ny lanitra ka milomay manenjika anay any an-tendrombohitra ary manao vela-pandrika ho anay any an-tany efitra.
malagasy
Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin'ny lanitra, ka miolomay manenjika anay any an-tendrombohitra ary manotrika anay any an-efitra izy.