Leviticus 1:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha ondry na osy no atolony ho fanatitra dorana manontolo dia lahy tsy misy kilema no hatolony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha biby madinika no ataony fanatitra, zanak’ondry na osy hatao sorona dorana, dia izay lahy tsy misy kilema no hateriny,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Rehefa ondry na osy no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ondrilahy sy osilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra.
Malagasy Bible 1865
Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema koa no hateriny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha ondry na osy no atolony ho fanatitra dorana manontolo dia lahy tsy misy kilema no hatolony.
malagasy
Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema koa no hateriny.