Leviticus 1:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
nefa ny taovany sy ny tongony kosa dia hosasany amin’ny rano. Hoentin’ny mpisorona ireo rehetra ireo ka hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara. Ho fanatitra dorana manontolo izany, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hosasany amin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia indray hatolotry ny mpisorona sy hodorany hanetona eo ambony ôtely avokoa izy rehetra. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izay mpanolotra no hanasa ny taovany sy ny tongony; fa ilay mpisorona kosa no hitondra azy rehetra ka handoro azy hanetona eo ambonin’ny alitara. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
fa ny taovany sy ny tongony kosa hosasany amin'ny rano; dia ho entin'ny mpisorona izy rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara; ho fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
nefa ny taovany sy ny tongony kosa dia hosasany amin’ny rano. Hoentin’ny mpisorona ireo rehetra ireo ka hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara. Ho fanatitra dorana manontolo izany, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
malagasy