Leviticus 1:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hosamahiny ny elany nefa tsy hotapahiny hiala amin’ny vatany; ary ny mpisorona dia handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara, ambonin’ny kitay eo amin’ny afo; fanatitra dorana manontolo izany, fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay vao hosamahiny amin’ny elany ny vorona, tsy hatao hentitra, dia hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny kitay hazo voatohoka amin’ny afo. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary hosamahiny anelanelan’ny elany fa tsy hosarahiny roa tanteraka ilay vorona, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara, dia eo ambonin’ny kitay izay napetraka tambony vainafo. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
ary hosamahany amin'ny elany no fameraka azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara, ambonin'ny kitay izay eo amin'ny afo; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hosamahiny ny elany nefa tsy hotapahiny hiala amin’ny vatany; ary ny mpisorona dia handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara, ambonin’ny kitay eo amin’ny afo; fanatitra dorana manontolo izany, fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
malagasy