Leviticus 1:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha omby no atolony ho fanatitra dorana manontolo dia lahy tsy misy kilema no hoentiny; eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana no hanaterany azy mba hankasitrahana azy eo anatrehan’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha biby vaventy no aterina ho sorona dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; ka eo anoloan’ny trano lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahina eo anatrehan’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha omby no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra; eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana no hitondrany azy mba hankasitrahina eo anatrehan’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha omby no atolony ho fanatitra dorana manontolo dia lahy tsy misy kilema no hoentiny; eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana no hanaterany azy mba hankasitrahana azy eo anatrehan’NY TOMPO.
malagasy
Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah izy.