Leviticus 1:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatitra dorana manontolo izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona dorana izy, dia horaisina izany mba ho soa ho azy, mba hanaovana fanonerana ho azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izay mpanolotra no hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay omby hatao sorona; dia hankasitrahina izany mba hahazoany famelan-keloka.
Malagasy Bible 1865
Ary hametraka ny tànany eo amin'ny lohan'ny fanatitra dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatitra dorana manontolo izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy.
malagasy
Ary hametraka ny tànany eo amin'ny lohan'ny fanatitra dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy.