Leviticus 1:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hamono ny omby eo anatrehan’NY TOMPO izy ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia hanatitra ny ra ka hamafy azy manodidina ny alitara izay eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy no hamono ny vantotr’ombalahy eo anatrehan’i Iaveh; ary ireo mpisorona zanak’i Aarôna kosa, hanolotra ny ra sy handraraka azy manodidina eo ambonin’ny ôtely izay ao amin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izy ihany no hamono ilay omby eo anoloan’ny * Toeramasin ’ny TOMPO; fa ireo mpisorona taranak’i Aharôna kosa hitondra ny ra ka hamafy azy manodidina eo amin’ny rindrin’ny alitara, dia ilay alitara izay eo anoloan’ny Tranolay fihaonana.
Malagasy Bible 1865
Dia hamono ny zanak'omby eo anatrehan'i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia hanatitra ny rà ka hanopy azy manodidina amin'ny lafin'ny alitara, izay eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hamono ny omby eo anatrehan’NY TOMPO izy ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia hanatitra ny ra ka hamafy azy manodidina ny alitara izay eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana.
malagasy