Leviticus 1:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
nefa ny taovany sy ny tongony kosa dia hosasany amin’ny rano. Hodoran’ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ny alitara ireo rehetra ireo; fanatitra dorana manontolo izany, fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sasana amin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia indray doran’ny mpisorona hanetona eo ambony ôtely avokoa izy rehetra. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izay mpanolotra no hanasa amin’ny rano ny taovany sy tongony; fa mpisorona anankiray kosa no handoro azy rehetra hanetona eo ambonin’ny alitara. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
fa ny taovany, sy ny tongony kosa hosasany amin'ny rano; dia hodoran'ny mpisorona ho fofona izy rehetra eo ambonin'ny alitara; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
nefa ny taovany sy ny tongony kosa dia hosasany amin’ny rano. Hodoran’ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ny alitara ireo rehetra ireo; fanatitra dorana manontolo izany, fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
malagasy