Leviticus 10:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Nadaba sy i Abiho, zanak’i Arona, dia samy naka ny fitondrana afony avy ary nanisy afo tao anatiny sy ditin-kazo manitra teo amboniny, dia nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’NY TOMPO, izay tsy nandidiany azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Nadaba sy i Abiò, zanak’i Aarôna, samy naka ny fanembohany avy dia nanisy afo tao anatiny, sy nametraka zava-manitra teo amboniny, dia nitondra afo hafa teo anatrehan’i Iaveh, nefa tsy nahazo didy momba izany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay kosa dia samy naka ny fanembohany avy ry i Nadaba sy i Abihò, zanakalahin’i Aharôna, ka nanisy vain’afo teo anatiny sy nametraka vovo-javamanitra teo ambonin’ny vain’afo ary nanolotra izany teo anatrehan’ny TOMPO: zavatra tsy mifanaraka amin’izay nandidian’ny TOMPO azy izany.
Malagasy Bible 1865
Ary Nadaba sy Abiho, zanak'i Arona, samy naka ny fitondran'afony avy ka nanisy afo teo anatiny, ary nanisy ditin-kazo manitra teo, dia nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah, izay tsy nandidiany azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Nadaba sy i Abiho, zanak’i Arona, dia samy naka ny fitondrana afony avy ary nanisy afo tao anatiny sy ditin-kazo manitra teo amboniny, dia nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’NY TOMPO, izay tsy nandidiany azy.
malagasy
[Ny nitondran'i Nadaba sy Abiho afo tsy izy, sy ny nataon'Andriamanitra noho izany] Ary Nadaba sy Abiho, zanak'i Arona, samy naka ny fitondran'afony avy ka nanisy afo teo anatiny, ary nanisy ditin-kazo manitra teo, dia nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah, izay tsy nandidiany azy.