Leviticus 10:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tratrany natao fanatitra asandratra sy ny feny nalaina avy tamin’ny fanatitra koa dia hohaninareo eo amin’izay toerana madio, dia ianao mbamin’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, fa nomena ho anjaranao sy ny zanakao ireo avy amin’ny fanati-pihavanana aterin’ny Zanak’Israely izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eo amin’izay toerana madio koa no hihinananao sy ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ny tratrany nahevaheva sy ny feny navahana, fa ireo didiny ireo dia omena ho anjaranao sy anjaran’ny zanakao, avy amin’ny sorom-pihavanana ataon’ny zanak’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo didin-kena avy amin’ny sorom-pihavanana ataon’ny Israelita, izany hoe ny tratrany izay nahevaheva no fomba fanolorana azy sy ny feny izay navahana manokana, dia eo amina toerana madio no hihinananareo azy; ianao sy ny taranakao lahy ary ny taranakao vavy koa aza no hihinana azy fa nomena ho anjaranao sy ny taranakao ireo didin-kena ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tratrany ahevaheva sy ny sorony asandratra hohaninareo eo amin'izay fitoerana madio, dia ianao mbamin'ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy koa; fa nomena ho anjaranao sy ny zanakao ireo avy amin'ny fanati-pihavanana aterin'ny Zanak'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tratrany natao fanatitra asandratra sy ny feny nalaina avy tamin’ny fanatitra koa dia hohaninareo eo amin’izay toerana madio, dia ianao mbamin’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, fa nomena ho anjaranao sy ny zanakao ireo avy amin’ny fanati-pihavanana aterin’ny Zanak’Israely izany.
malagasy