Leviticus 10:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny feny nalaina avy tamin’ny fanatitra sy ny tratrany natao fanatitra asandratra mbamin’ny jaborany izay fanatitra levonina amin’ny afo dia hoentiny mba hatao fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO. Ho anao sy ny zanakao koa ireo, ho anjaranareo maharitra, araka izay nandidian’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoentin’izy ireo ho fanampin’ny sabora voatokana hodorana amin’ny afo, ny feny avahana sy ny tratrany ahevaheva, mba hahevaheva eo anatrehan’i Iaveh; dia ho anjaranao sy ny zanakao izany, noho ny lalàna tsy tapaka araka ny didin’i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny feny izay navahana manokana sy ny tratrany izay nahevaheva no fomba fanolorana azy dia entin’ny Israelita miaraka amin’ny tavin-kena izay hodorana amin’ny afo. Hahevaheva eo anatrehan’ny TOMPO ireo didin-kena ireo; avy eo dia ho anao sy ny zanakao. Anjara raikitra ho anareo hatrany hatrany ireo, araka ny baikon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ny sorony asandratra sy ny tratrany ahevaheva mbamin'ny saborany izay fanatitra atao amin'ny afo dia ho entiny mba hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; dia ho anao sy ny zanakao koa ireo, ho anjaranareo mandrakizay, araka izay nandidian'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny feny nalaina avy tamin’ny fanatitra sy ny tratrany natao fanatitra asandratra mbamin’ny jaborany izay fanatitra levonina amin’ny afo dia hoentiny mba hatao fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO. Ho anao sy ny zanakao koa ireo, ho anjaranareo maharitra, araka izay nandidian’NY TOMPO.
malagasy