Leviticus 10:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitady fatratra ny osilahy izay natao fanatitra fanadiovana i Mosesy, kanjo efa voadoro izany ka tezitra tamin’ny zanak’i Arona sisa tavela izy, dia tamin’i Eleazara sy Itamara ka hoy izy:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Môizy nanadina ny amin’ny osy lahy natao sorona noho ny ota, ka indro efa voadotra izany; ka tezitra tamin’i Eleazara sy i Itamara hany sisa zanaka lahin’i Aarôna izy, sy nanao tamin’izy ireo hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary namotopototra momba ilay osilahy natao sorona ho fanalana ny otan’ny vahoaka i Mosesy. Ka nampahalalaina azy fa efa kilan’ny afo izany. Dia tezitra tamin’i Elehazara sy i Itamara, zanakalahin’i Aharôna sisa velona, i Mosesy ka nanontany azy hoe:
Malagasy Bible 1865
Ary Mosesy nitady fatratra ny osilahy izay natao fanatitra noho ny ota, kanjo efa voadotra izany; dia tezitra tamin'ny zanak'i Arona sisa izy, dia tamin'i Eleazara sy Itamara, ka hoy izy:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitady fatratra ny osilahy izay natao fanatitra fanadiovana i Mosesy, kanjo efa voadoro izany ka tezitra tamin’ny zanak’i Arona sisa tavela izy, dia tamin’i Eleazara sy Itamara ka hoy izy:
malagasy
Ary Mosesy nitady fatratra ny osilahy izay natao fanatitra noho ny ota, kanjo efa voadotra izany; dia tezitra tamin'ny zanak'i Arona sisa izy, dia tamin'i Eleazara sy Itamara, ka hoy izy: