Leviticus 10:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahoana no tsy nohaninareo teo amin’ny fitoerana masina ny fanatitra fanadiovana? Fa zavatra tena masina izany ary efa nomeny anareo mba hitondranareo ny heloky ny fiangonana, hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Nahoana no tsy nohaninareo, teo amin’ny fitoerana masina, ny sorona noho ny ota? Fa zava-masina dia masina izany, ary nomen’i Iaveh anareo, mba hitondranareo ny otan’ny fiangonana sy hanaovanareo ny fanonerana ho azy, eo anatrehan’i Iaveh?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Zava-masina dia masina ny hena avy amina sorona fanalana ny ota, ka nahoana no tsy nohaninareo teo amin’ny faritra voatokana hihinanana azy? Efa nomen’ny TOMPO anareo izany mba hahazoanareo manafaka ny fahotana vitan’ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo sy manao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho azy eo anatrehan’ny Tompo.
Malagasy Bible 1865
Nahoana no tsy nohaninareo teo amin'ny fitoerana masina ny fanatitra noho ny ota? fa masina dia masina izany, ary efa nomeny anareo izy hitondranareo ny heloky ny fiangonana, hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahoana no tsy nohaninareo teo amin’ny fitoerana masina ny fanatitra fanadiovana? Fa zavatra tena masina izany ary efa nomeny anareo mba hitondranareo ny heloky ny fiangonana, hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan’NY TOMPO.
malagasy