Leviticus 10:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Arona tamin’i Mosesy: Indro, androany no nanoloran’ny olona ny fanatitra fanadiovana azy sy ny fanatitra dorana manontolo avy taminy teo anatrehan’NY TOMPO; koa amin’izao zavatra manjo ahy izao, raha toa ka nihinana ny fanatitra fanadiovana aho androany, moa ho tsara teo imason’NY TOMPO va izany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy i Aarôna tamin’i Môizy: «Izy ireo androany dia efa nanatitra ny sorona noho ny ota sy ny sorona dorana, teo anatrehan’i Iaveh; fa izaho kosa, noho ny nanjò ahy, moa ho nankasitrahina teo anatrehan’i Iaveh aho, raha nihinana ny sorona noho ny ota androany?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia i Aharôna kosa no namaly an’i Mosesy hoe: –Amin’izao andro nanateran’ny Israelita ny sorona fanalana ny otany sy ny sorona dorana manontolo teo anatrehan’ny TOMPO izao, dia fantatrao ny fahoriana nidona tamiko. Koa azoko natao ve, amin’ny andro toy izao, ny nihinana ny henan’ilay sorona fanalana ny ota? Tsy ho nankasitrahin’ny TOMPO velively izany!
Malagasy Bible 1865
Ary Arona niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Indro, androany no nanaterany ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany teo anatrehan'i Jehovah, ary efa azon'izao manjo izao aho; koa raha tàhiny nihinana ny fanatitra noho ny ota androany aho, moa ho tsara teo imason'i Jehovah va izany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Arona tamin’i Mosesy: Indro, androany no nanoloran’ny olona ny fanatitra fanadiovana azy sy ny fanatitra dorana manontolo avy taminy teo anatrehan’NY TOMPO; koa amin’izao zavatra manjo ahy izao, raha toa ka nihinana ny fanatitra fanadiovana aho androany, moa ho tsara teo imason’NY TOMPO va izany?
malagasy
Ary Arona niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Indro, androany no nanaterany ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany teo anatrehan'i Jehovah, ary efa azon'izao manjo izao aho; koa raha tàhiny nihinana ny fanatitra noho ny ota androany aho, moa ho tsara teo imason'i Jehovah va izany?Ary raha ren'i Mosesy izany, dia nankasitrahany.