Leviticus 10:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Mosesy tamin’i Arona: Izany ilay nolazain’NY TOMPO hoe: Amin’izay akaiky Ahy no hisehoako ho masina ary eo anatrehan’ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina i Arona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Efa voalazan’i Iaveh izany tamin’izy nanao hoe: Hohamasinina Aho ao amin’izay manakaiky Ahy, ary homem-boninahitra eo anatrehan’ny vahoaka rehetra.» Sina i Aarôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna: –Efa voalazan’ny TOMPO izany, fony Izy nanao hoe: «Izay hanakaiky Ahy dia tiako hanaja ny fahamasinako, ary hanome voninahitra Ahy eo anatrehan’ny vahoaka rehetra.» Dia nanao hiram-pisaonana i Aharôna.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Mosesy tamin'i Arona: Izany dia ilay nolazain'i Jehovah hoe: Amin'izay akaiky Ahy no hisehoako ho masina, ary eo anatrehan'ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Mosesy tamin’i Arona: Izany ilay nolazain’NY TOMPO hoe: Amin’izay akaiky Ahy no hisehoako ho masina ary eo anatrehan’ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina i Arona.
malagasy
Dia hoy Mosesy tamin'i Arona: Izany dia ilay nolazain'i Jehovah hoe: Amin'izay akaiky Ahy no hisehoako ho masina, ary eo anatrehan'ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona.