Leviticus 10:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Mosesy tamin’i Arona sy i Eleazara ary Itamara, zanany lahy: Aza asaritaka ny volonareo na rovitina ny akanjonareo fandrao ho faty koa ianareo sady hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonana manontolo; fa aoka ny rahalahinareo, dia ny taranak’Israely rehetra, no hitomany noho ny afo izay narehitry NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Môizy tamin’i Aarôna sy i Eleazara ary i Itamara: «Aza avelanareo hirakaraka foana ny volon-dohanareo, ary aza triarinareo ny fanamianareo, fandrao dia maty ianareo, ary ho tratry ny hatezeran’i Iaveh ny fiangonana rehetra. Ny rahalahinareo sy ny taranak’i Israely rehetra no aoka hitomany noho izao fandoroana narehitr’i Iaveh izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy kosa i Mosesy tamin’i Aharôna sy tamin-dry i Elehazara sy i Itamara zanany roa lahy hafa: –Aza avela hirakaraka ny volon-dohanareo ary aza triarina ny fanamianareo, fandrao dia ho faty eo koa ianareo sady hiharan’ny fahatezeran’ny TOMPO ireto Israelita rehetra tafangona. Fa ny mpiray firenena aminareo, izany hoe ny taranak’i Israely rehetra, no aoka hitomany, noho izy roa lahy nofaizin’ny TOMPO tamin’ny afo mandoro.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Mosesy tamin'i Arona ary tamin'i Eleazara sy Itamara, zananilahy: Aza mirakaraka volo, na mandriatra ny akanjonareo, fandrao mba maty koa ianareo, sady hisy fahatezerana hahatratra ny olona rehetra; fa aoka ny rahalahinareo, dia ny taranak'Isiraely rehetra, no hitomany noho ny fahamaizana izay narehitr'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Mosesy tamin’i Arona sy i Eleazara ary Itamara, zanany lahy: Aza asaritaka ny volonareo na rovitina ny akanjonareo fandrao ho faty koa ianareo sady hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonana manontolo; fa aoka ny rahalahinareo, dia ny taranak’Israely rehetra, no hitomany noho ny afo izay narehitry NY TOMPO.
malagasy