Leviticus 10:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza miala eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana fandrao maty ianareo satria eo aminareo ny diloilo fanosoran’NY TOMPO. Dia nanatanteraka ny tenin’i Mosesy izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ianareo kosa aza mivoaka ny varavaran’ny trano lay fihaonana akory, fandrao dia maty ianareo, satria efa mby ao aminareo ny diloilo fanosoran’i Iaveh.» Dia nataon’izy ireo izay nolazain’i Môizy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ianareo kosa aza miala eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, fandrao maty ianareo; satria voatokana ho an’ny TOMPO ianareo noho ny menaka nanosorana anareo. Dia nanao araka ny tenin’i Mosesy izy telo mianaka.
Malagasy Bible 1865
Ary aza miala eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, fandrao maty ianareo; fa efa mby aminareo ny diloilo fanosoran'i Jehovah. Dia nanao araka ny tenin'i Mosesy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza miala eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* fandrao maty ianareo satria eo aminareo ny diloilo fanosoran’NY TOMPO. Dia nanatanteraka ny tenin’i Mosesy izy ireo.
malagasy
Ary aza miala eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, fandrao maty ianareo; fa efa mby aminareo ny diloilo fanosoran'i Jehovah. Dia nanao araka ny tenin'i Mosesy izy.