Leviticus 11:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa izay rehetra tsy misy vombony na kirany kosa, na ao anatin’ny ranomasina na ao anatin’ny ony na amin’izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin’izay zavamananaina ao anaty rano, dia ho fahavetavetana aminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ho fahavetavetana ho anareo kosa izay tsy misy vombony na kirany, na ny ao an-dranomasina, na ny ao an-drenirano, amin’ny biby rehetra mihetsiketsika ao anaty rano, sy amin’ny zava-manana aina rehetra misy ao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho fady aminareo kosa izay tsy misy vombony sy kirany amin’ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika anaty rano:
Malagasy Bible 1865
fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, na amin'izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin'ny zava-manan'aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa izay rehetra tsy misy vombony na kirany kosa, na ao anatin’ny ranomasina na ao anatin’ny ony na amin’izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin’izay zavamananaina ao anaty rano, dia ho fahavetavetana aminareo.
malagasy