Leviticus 11:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay zavatra rehetra ilatsahan’ny fatin’ireo, na fanaka hazo na fitafiana na hoditra na kitapo, izay mety ho fitaovana fampiasa, dia haloto ka tsy maintsy hatao anaty rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro izy vao hadio.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Haloto avokoa ny zavatra ilatsahan’ny fatin’ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasàka, na inona na inona zavatra ampiasaina; ka hapetraka ao anaty rano izany ary haloto mandra-paharivan’ny andro, vao hadio.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Haloto avokoa, ny zavatra ilatsahan’ny fatiny, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasàka, na inona na inona fitaovana ampiasaina; eny, haloto mandra-paharivan’ny andro izany, ary tsy maintsy asoka anaty rano vao hadio.
Malagasy Bible 1865
Ary izay zavatra rehetra ilatsahan'ny fatin'Ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, izay mety ho fanaovan-javatra na inona na inona, dia haloto, ka tsy maintsy hatao anaty rano izany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy vao hadio.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay zavatra rehetra ilatsahan’ny fatin’ireo, na fanaka hazo na fitafiana na hoditra na kitapo, izay mety ho fitaovana fampiasa, dia haloto ka tsy maintsy hatao anaty rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro izy vao hadio.
malagasy