Leviticus 11:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Haloto izay zavatra rehetra ilatsahan’ny fatin’ireo, na fanendasana na vilany mirakotra, ka hopotipotehina; fa maloto ireny ary ho zava-maloto aminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Haloto avokoa ny fanaka ilatsahan-javatra avy amin’ny fatin’ireny, ka ravana ny lafaoro mbamin’ny vilany aman-tsarony, fa haloto izy, ka hataonareo ho zava-maloto.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Haloto avokoa ny fitaovana rehetra ilatsahan’ny fatin’ireo, na fanendasana izany na vilany mirakotra; ka tsy maintsy montsaninareo izany, satria haloto izy ka ho maloto aminareo.
Malagasy Bible 1865
Ary haloto izay zavatra rehetra ilatsahan'ny fatin'ireo, na fanendasana, na vilany mirakotra, dia hovakivakina izany; fa maloto ireny, ary ho zava-maloto aminareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Haloto izay zavatra rehetra ilatsahan’ny fatin’ireo, na fanendasana na vilany mirakotra, ka hopotipotehina; fa maloto ireny ary ho zava-maloto aminareo.
malagasy
Ary haloto izay zavatra rehetra ilatsahan'ny fatin'ireo, na fanendasana, na vilany mirakotra, dia hovakivakina izany; fa maloto ireny, ary ho zava-maloto aminareo.