Leviticus 11:42 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay rehetra mandady amin’ny kibony sy izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, izany hoe ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, dia tsy azo hanina fa zava-betaveta ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza misy haninareo rehefa mety ho biby mandady amin’ny tany, na ireo mikisaka amin’ny kibony, na ireo mandia tongotra efatra, na ireo manana tongotra maro, fa ho zava-betaveta ireny aminareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza misy haninareo ireny bibikely ireny, na ny mikisaka amin’ny kibony, na ny mandia tongotra efatra na mihoatra noho ny efatra, satria fady aminareo ireny.
Malagasy Bible 1865
Izay rehetra mandady amin'ny kibony sy Izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, dia ny biby tehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay rehetra mandady amin’ny kibony sy izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, izany hoe ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, dia tsy azo hanina fa zava-betaveta ireny.
malagasy