Leviticus 12:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tapitra ny andro fidiovany, na lahy na vavy no naterany, dia zanak’ondry iray izay iray taona, no halainy hatao fanatitra dorana manontolo ary voromailala, na domohina, hatao fanatitra fanadiovana, ka hoentiny eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ho eo amin’ny mpisorona ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka izay zaza naterany, na lahy na vavy, dia izao no hateriny amin’ny mpisorona ao anoloan’ny trano lay fihaonana, zanak’ondry iray efa iray taona, hatao sorona dorana; ary vanto-boromahailala iray, na domohina iray, atao sorona noho ny ota.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Rehefa tapitra ny fetr’andro fidiovany, araka izay zaza naterany na lahy na vavy, dia izao no hateriny amin’ny mpisorona eo anoloan’ny Tranolay fihaonana: zanak’ondry anankiray efa iray taona mba ho sorona dorana manontolo, ary voromahailala na domohina anankiray mba ho sorona fanalana ny ota.
Malagasy Bible 1865
Ary raha tapitra ny andro fidiovany ny amin'ny zanany, na lahy na vavy, dia zanak'ondry izay iray taona no halainy ho fanatitra dorana sy zana-boromailala, na domohina, ho fanatitra noho ny ota, ka ho entiny eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ho eo amin'ny mpisorona ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tapitra ny andro fidiovany, na lahy na vavy no naterany, dia zanak’ondry iray izay iray taona, no halainy hatao fanatitra dorana manontolo ary voromailala, na domohina, hatao fanatitra fanadiovana, ka hoentiny eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* ho eo amin’ny mpisorona ireo.
malagasy
Ary raha tapitra ny andro fidiovany ny amin'ny zanany, na lahy na vavy, dia zanak'ondry izay iray taona no halainy ho fanatitra dorana sy zana-boromailala, na domohina, ho fanatitra noho ny ota, ka ho entiny eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ho eo amin'ny mpisorona ireo.