Leviticus 12:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hanatitra izany eo anatrehan’NY TOMPO ny mpisorona ka hanao fanavotana ho an-dRavehivavy dia hadio tamin’ny fandehanan’ny rany izy. Izany no lalàna ny amin’ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpisorona hanolotra izany eo anatrehan’i Iaveh ka hanao ny fanonerana ho azy, dia hadio amin’ny nandehanan’ny rany izy. Izany no lalàna momba ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatolory ny mpisorona eo anatrehan’ny TOMPO ireo sorona ireo, ary rehefa nataony tamin-dravehivavy ny fombam-pivavahana fanadiovana, dia hadio ny amin’ny ra very teo am-piterahana izy.» Ireo no fepetra momba ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.
Malagasy Bible 1865
Ary izy hanatitra izany eo anatrehan'i Jehovah ka hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio tamin'ny fandehanan'ny ràny izy. Izany no lalàna ny amin'ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hanatitra izany eo anatrehan’NY TOMPO ny mpisorona ka hanao fanavotana ho an-dRavehivavy dia hadio tamin’ny fandehanan’ny rany izy. Izany no lalàna ny amin’ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.
malagasy
Ary izy hanatitra izany eo anatrehan'i Jehovah ka hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio tamin'ny fandehanan'ny ràny izy. Izany no lalàna ny amin'ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.Ary raha tsy tratry ny ananany ny zanak'ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy.