Leviticus 13:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hozahan’ny mpisorona izany, koa raha hitany fa misy mamontsina fotsy eo amin’ny hoditra sady efa niova ho fotsy ny volo ary misy nofo hita miseho eo amin’ny mamontsina
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy mamontsina fotsifotsy eo amin’ny hodiny, sady nanjary fotsy azon’izany ny volon-koditra ary nofo mihena velona no hita eo amin’ny mamontsina,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hozahan’ny mpisorona ilay olona; ka raha hitany fa misy pentina mamontsina fotsy eo amin’ny hodiny sady efa niova ho fotsy ny volo eo amin’io pentina io ary misy nofo mangenahena mipoitra koa eo,
Malagasy Bible 1865
ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa misy mamontsina fotsy eo amin'ny hoditra, sady efa niova ho fotsy ny volo, ary misy nofo mangenahena hita eo amin'ny mamontsina,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hozahan’ny mpisorona izany, koa raha hitany fa misy mamontsina fotsy eo amin’ny hoditra sady efa niova ho fotsy ny volo ary misy nofo hita miseho eo amin’ny mamontsina
malagasy
ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa misy mamontsina fotsy eo amin'ny hoditra, sady efa niova ho fotsy ny volo, ary misy nofo mangenahena hita eo amin'ny mamontsina,