Leviticus 13:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy mamontsina eo amin’ny hoditry ny nofon’ny olona, na misy manakompery na misy mifaritra mangirana ka eo amin’ny hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany, dia hoentina ho eo amin’i Arona mpisorona ilay olona na ho eo amin’iray amin’ireo mpisorona, zanak’i Arona;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Raha mamontsina ny hoditry ny nofon’ny olona anankiray na misy anakandro na miseho hodi-potsy, ka tonga misy fery toy ny habokana amin’ny hoditry ny nofony dia hoentina mankeo amin’i Aarôna mpisorona izy, na eo amin’ny iray amin’ireo zanany, mpisorona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy faritra mamontsina na faritra manakopery na pentina mangirana eo amin’ny hodi-nofon’ny olona, ka manjary aretina miendrika habokana izany, dia hoentina ilay olona ho eo amin’i Aharôna mpisorona na ho eo amina mpisorona anankiray anisan’ny taranany.
Malagasy Bible 1865
Raha misy mamontsina eo amin'ny hoditry ny nofon'ny olona, na misy manako-pery na misy mifaritra mangirana, ka eo amin'ny hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany, dia ho entina ho eo amin'i Arona mpisorona izy, na ho eo amin'izay iray amin'ny mpisorona, zanak'i Arona;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy mamontsina eo amin’ny hoditry ny nofon’ny olona, na misy manakompery na misy mifaritra mangirana ka eo amin’ny hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany, dia hoentina ho eo amin’i Arona mpisorona ilay olona na ho eo amin’iray amin’ireo mpisorona, zanak’i Arona;
malagasy