Leviticus 13:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hozahan’ny mpisorona io, koa raha lalina noho ny hoditra no fijeriny azy ary efa niova ho fotsy ny volony dia hambaran’ny mpisorona fa maloto izy; habokana efa mipoitra eo amin’ny fery izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha toa lalina latsaka ambanin’ny hoditra ilay hodi-potsy, sady nanjary fotsy ny volon-koditra eo dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izy; fa fery habokana nipoitra ao amin’ilay fery izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hozahan’ny mpisorona izy; ka raha hitany fa mandoaka hoditra ilay pentina sady efa niova ho fotsy ny volo eo, dia hambaran’ny mpisorona hoe maloto ilay olona, fa aretina miendrika habokana no efa mipoipoitra eo amin’ny hola-pery.
Malagasy Bible 1865
Ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary efa niova ho fotsy ny volony, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy: habokana efa mipoitra eo amin'ny fery izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hozahan’ny mpisorona io, koa raha lalina noho ny hoditra no fijeriny azy ary efa niova ho fotsy ny volony dia hambaran’ny mpisorona fa maloto izy; habokana efa mipoitra eo amin’ny fery izany.
malagasy
Ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary efa niova ho fotsy ny volony, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy: habokana efa mipoitra eo amin'ny fery izany.