Leviticus 13:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hozahan’ny mpisorona izany, koa raha hitany fa tsy misy volo fotsy eo ary tsy lalina noho ny hoditra izany sady matromatroka ihany dia hatokan’ny mpisorona toerana hafitoana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha hitan’ny mpisorona kosa fa tsy misy fotsy ny volon-koditra eo amin’ilay hodi-potsy ary tsy latsaka ambany noho ny hoditra izany, sady nihamatromatroka, dia hatokany toerana hafitoana izany olona izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha voazahan’ny mpisorona kosa ilay olona, ka hitany fa tsy mandoaka hoditra sady matromatroka ihany ilay pentina ary tsy misy volo fotsy eo, dia hatokany toerana izy mandritra ny fito andro;
Malagasy Bible 1865
Fa raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana izy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hozahan’ny mpisorona izany, koa raha hitany fa tsy misy volo fotsy eo ary tsy lalina noho ny hoditra izany sady matromatroka ihany dia hatokan’ny mpisorona toerana hafitoana izy.
malagasy
Fa raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana izy;