Leviticus 13:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hozahan’ny mpisorona, koa raha hitany fa efa niova ho fotsy ny volo eo amin’ny toeran’ny mifaritra mangirana ary lalina noho ny hoditra no fijeriny azy dia habokana efa mipoitra eo amin’ny may izany ka hambaran’ny mpisorona fa maloto. Habokana izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha nanjary fotsy ny volon-koditra eo amin’ilay hodi-potsy, sady toa lalina latsaka ambanin’ny hoditra izy, dia habokana izany; nipoitra avy amin’ny may izany, ka holazain’ny mpisorona hoe maloto izany olona izany, dia fery habokana izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia hozahan’ny mpisorona izany. Raha hitany fa mandoaka hoditra ilay pentina sady efa niova ho fotsy ny volo eo, dia habokana efa mipoipoitra eo amin’ny faritra may izany; ka hambaran’ny mpisorona hoe maloto ilay olona, fa aretina miendrika habokana izany.
Malagasy Bible 1865
ary zahan'ny mpisorona ka hitany fa efa niova ho fotsy ny volo eo amin'ny itoeran'ny mifaritra mangirana, ary lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia habokana efa mipoipoitra eo amin'ny may izany, ka hataon'ny mpisorona hoe maloto, habokana izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia hozahan’ny mpisorona, koa raha hitany fa efa niova ho fotsy ny volo eo amin’ny toeran’ny mifaritra mangirana ary lalina noho ny hoditra no fijeriny azy dia habokana efa mipoitra eo amin’ny may izany ka hambaran’ny mpisorona fa maloto. Habokana izany.
malagasy