Leviticus 13:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hozahan’ny mpisorona izany, koa raha hitany fa tsy misy volo fotsy eo amin’ny mifaritra mangirana ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany dia hatokan’ny mpisorona toerana hafitoana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha hitan’ny mpisorona kosa fa tsy fotsy ny volon-koditra eo amin’ny hodi-potsy, tsy latsaka ambany noho ny hoditra izy, sady efa nihamatromatroka, dia hotanany hitokan-toerana hafitoana izany olona izany. Hozahan’ny mpisorona indray izy amin’ny andro fahafito;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha voazahan’ny mpisorona kosa izy, ka hitany fa tsy mandoaka hoditra sady matromatroka ihany ilay pentina ary tsy misy hoditra sady matromatroka ihany ilay pentina ary tsy misy fotsy ny volo eo, dia hatokan’ny mpisorona toerana mandritra ny fito andro ilay olona.
Malagasy Bible 1865
Fa raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo amin'ny mifaritra mangirana, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana izy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hozahan’ny mpisorona izany, koa raha hitany fa tsy misy volo fotsy eo amin’ny mifaritra mangirana ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany dia hatokan’ny mpisorona toerana hafitoana izy.
malagasy