Leviticus 13:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha tsy mitombo ny mifaritra fotsy mangirana ary tsy niitatra teo amin’ny hoditra fa matromatroka ihany nefa mamontsina eo amin’ny may dia hambaran’ny mpisorona fa madio izy satria holatry ny may ihany io.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha nijanona amin’izay nisy azy ihany ilay hodi-potsy, fa tsy nanitatra eo amin’ny hoditra, sady nihamatromatroka, dia ny mamontsina avy amin’ny may izany, ka holazain’ny mpisorona hoe madio izy, satria holatry ny may izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha tsy niova sady tsy nanitatra kosa ilay pentina fotsy teo amin’ny hoditra, fa nihamatromatroka, dia pentina mamontsina eo amin’ny faritra may izany; ary hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona fa holatry ny faritra may ihany izany.
Malagasy Bible 1865
Ary raha tsy mitombo ny faritra fotsy mangirana ka tsy nanitatra teo amin'ny hoditra, fa matromatroka ihany, dia mamontsina eo amin'ny may izany; ary hataon'ny mpisorona hoe madio izy fa fahamaimaizana ihany izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha tsy mitombo ny mifaritra fotsy mangirana ary tsy niitatra teo amin’ny hoditra fa matromatroka ihany nefa mamontsina eo amin’ny may dia hambaran’ny mpisorona fa madio izy satria holatry ny may ihany io.
malagasy