Leviticus 13:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hozahan’ny mpisorona ny aretina eo amin’ny hoditry ny nofo. Raha niova ho fotsy ny volo eo amin’ny aretina ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina dia habokana izany; hozahan’ny mpisorona izy dia hambarany fa maloto.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hozahan’ny mpisorona ny aretina eo amin’ny hoditry ny nofony, ka raha manjary fotsy ny volon-koditra amin’ny fery sady latsaka lalina noho ny hodi-nofo no fijery ny fery, dia fery habokana izany, ka rehefa avy nizaha izany olona izany ny mpisorona, dia hilaza fa maloto izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hozahan’ny mpisorona ny faritra misy aretina eo amin’ny hoditr’ilay olona; ka raha mandoaka hoditra no fahitana io faritra misy aretina io sady niova ho fotsy ny volo eo, dia aretina miendrika habokana izany. Ary rehefa voazahan’ny mpisorona ilay olona, dia hataony hoe maloto.
Malagasy Bible 1865
koa raha zahan'ny mpisorona ny aretina eo amin'ny hoditry ny nofo, ka efa niova ho fotsy ny volo eo amin'ny aretina, ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina, dia habokana izany; ary raha zahan'ny mpisorona izy, dia hataony hoe maloto.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia hozahan’ny mpisorona ny aretina eo amin’ny hoditry ny nofo. Raha niova ho fotsy ny volo eo amin’ny aretina ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina dia habokana izany; hozahan’ny mpisorona izy dia hambarany fa maloto.
malagasy