Leviticus 13:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hozahan’ny mpisorona ny aretina, koa raha lalina noho ny hoditra ny fijeriny azy ary misy volo madinika somary vonivony eo dia hambaran’ny mpisorona fa maloto izy. Be hatina izany: Habokana eo amin’ny loha na eo amin’ny saoka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha hita fa latsaka ambany noho ny hoditra no fijery azy, sady misy volo madinidinika tomamotamo eo, dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izany olona izany, satria kimavo izany, habokàn-doha na habokàn-tsaoka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia hozahan’ny mpisorona izany. Raha hitany fa mandoaka hoditra ny fery sady misy volo madinika tomamotamo eo, dia hambaran’ny mpisorona hoe maloto ilay olona; fa kimavo izany ka aretin-koditra mamely ny loha na ny saoka.
Malagasy Bible 1865
ary zahan'ny mpisorona ny aretina, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary misy volo madinika tomamotamo eo, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy, olona kongonina izany, dia habokana eo amin'ny loha na eo amin'ny saoka izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia hozahan’ny mpisorona ny aretina, koa raha lalina noho ny hoditra ny fijeriny azy ary misy volo madinika somary vonivony eo dia hambaran’ny mpisorona fa maloto izy. Be hatina izany: Habokana eo amin’ny loha na eo amin’ny saoka.
malagasy