Leviticus 13:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha zahan’ny mpisorona ny aretina ka tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana mandritra ny hafitoana ilay olona be hatina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha hitan’ny mpisorona anefa fa tsy latsaka ambany noho ny hoditra no fijery ny fery kimavo, ary tsy misy volo mainty eo, dia hatokan’ny mpisorona hafitoana, izay voan’ny fery kimavo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha voazahan’ny mpisorona ilay marary ka hitany fa tsy mandoaka hoditra ny fery nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana izy mandritra ny fito andro.
Malagasy Bible 1865
Fa raha zahan'ny mpisorona ny kongonina, ka tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana hafitoana ilay olona kongonina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha zahan’ny mpisorona ny aretina ka tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana mandritra ny hafitoana ilay olona be hatina.
malagasy
Fa raha zahan'ny mpisorona ny kongonina, ka tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana hafitoana ilay olona kongonina.