Leviticus 13:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hozahan’ny mpisorona ilay be hatina amin’ny andro fahafito, koa raha hitany fa tsy niitatra teo amin’ny hoditra ny aretiny, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hambaran’ny mpisorona fa madio izy. Hanasa ny fitafiany izy dia hadio.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka amin’ny andro fahafito ny mpisorona hizaha ny fery kimavo indray: raha tsy nanitatra eo amin’ny hoditra ny kimavo, sady tsy latsaka ambany noho ny hoditra no fijery azy, dia holazain’ny mpisorona hoe madio izany olona izany, ka hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hozahan’ny mpisorona indray izy amin’ny andro fahafito; ka raha hitany fa tsy nanitatra sady tsy nandoaka hoditra ny kimavo, dia hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona; ary hanasa fitafiana izy dia hadio.
Malagasy Bible 1865
Ary raha zahan'ny mpisorona amin'ny andro fahafito ny kongonina, ka hitany fa tsy nanitatra teo amin'ny hoditra ny aretina, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hataon'ny mpisorona hoe madio izy; ary hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hozahan’ny mpisorona ilay be hatina amin’ny andro fahafito, koa raha hitany fa tsy niitatra teo amin’ny hoditra ny aretiny, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hambaran’ny mpisorona fa madio izy. Hanasa ny fitafiany izy dia hadio.
malagasy