Leviticus 13:37 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa raha hitany fa tsy mitombo ny aretina ka misy volo mainty maniry eo dia sitrana ilay be hatina ka madio izy ary hambaran’ny mpisorona fa madio.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha tsy nitatra ny fery kimavo araka ny fijery azy sady misy volon-koditra mainty maniry koa eo, dia sitrana ny kimavo, ka madio ilay olona ary holazain’ny mpisorona hoe madio izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa raha tsy miova ny kimavo araka ny fijery azy sady misy volo mainty maniry eo, dia sitrana ny kimavo ka madio ilay olona ary hambaran’ny mpisorona hoe madio.
Malagasy Bible 1865
Nefa raha hitany fa tsy mitombo ny aretina, ka misy volo mainty maniry eo, dia sitrana ny kongonina, ka madio izy; ary hataon'ny mpisorona hoe madio.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa raha hitany fa tsy mitombo ny aretina ka misy volo mainty maniry eo dia sitrana ilay be hatina ka madio izy ary hambaran’ny mpisorona fa madio.
malagasy
Nefa raha hitany fa tsy mitombo ny aretina, ka misy volo mainty maniry eo, dia sitrana ny kongonina, ka madio izy; ary hataon'ny mpisorona hoe madio.