Leviticus 13:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hozahan’ny mpisorona, koa raha hitany fa misy mifaritra fotsy eo amin’ny hodiny mangirana, nefa matromatroka, dia aretina mipentimpentina fotsy mipoitra eo amin’ny hoditra izany: Madio izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha mamaritra fotsy matromatroka ny hodiny ao amin’ny nofony, dia foròfotra maniry amin’ny hodiny izany, ka madio izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia hozahan’ny mpisorona izy; ka raha hitany fa matromatroka ny pentina mangirana eo amin’ny hodi-nofony, dia korofotra mipoipoitra eo izany, ka madio ihany ilay olona.
Malagasy Bible 1865
ary zahan'ny mpisorona, ka hitany fa misy mifaritra fotsy eo amin'ny hoditry ny nofony mangirana, nefa matromatroka, dia aretina mamentimpetina fotsy mipoipoitra eo amin'ny hoditra izany, madio izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia hozahan’ny mpisorona, koa raha hitany fa misy mifaritra fotsy eo amin’ny hodiny mangirana, nefa matromatroka, dia aretina mipentimpentina fotsy mipoitra eo amin’ny hoditra izany: Madio izy.
malagasy