Leviticus 13:52 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hodorana ny fitafiana, na ny tenony na ny fahany na volon’ondry na lamba rongony na izay zavatra vita tamin’ny hoditra izay misy ny aretina; fa toy ny habokana mafy izany ka hodorana amin’ny afo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hodorana ny fitafiana, ny kofehy rongony madinika na volon’ondry hatao tenany na fahany, ny zavatra natao tamin’ny hoditra na inona na inona, izay misy ny fery, fa habokana ratsy izany, hodorana amin’ny afo ny zavatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hodoran’ny mpisorona ilay fitafiana na lamba na akanjobà volon’ondry na kiran-drongony na fitaovana vita hoditra. Noho ny bobongolo tsy azo esorina, dia hodorana amin’ny afo ilay zavatra voany.
Malagasy Bible 1865
Dia hodorana ny fiafiana, na izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na volon'ondry, na rongony, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra, izay misy aretina; fa habokana mafy izany, ka dia hodorana amin'ny afo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hodorana ny fitafiana, na ny tenony na ny fahany na volon’ondry na lamba rongony na izay zavatra vita tamin’ny hoditra izay misy ny aretina; fa toy ny habokana mafy izany ka hodorana amin’ny afo.
malagasy